Fiangonan' i Yahweh

Ny Fiangonan' i Yahweh dia fikambanana ara-pivavahana tsy mitady tombontsoa ary manana ny foibeny iraisam-pirenena ao Betel, Pennsylvania, Etazonia. Atao hoe Assemblies of Yahweh izy amin' ny teny anglisy. Io fikambanana io dia niorina tsy niankina tamin' ny asa fitoriana an' onjampeo (radiô) izay natombok' i Jacob O. Meyer tamin' ny taona 1966. Ny Fiangonan' i Yahweh no vondrona "Anarana Masina" lehibe indrindra, saingy tsy anisan' ny Hetsika Anarana Masina (anglisy: Sacred Name Movement).


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search